Ny marika Umbro no fanamiana hoentin’ny Barea de Madagascar hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra, “Chan 2025”.
Raha tsy misy ny fiovana farany, hanomboka ny volana febroary ho avy izao ny taom-pilalaovana 2025 ho an’ny taranja tsipy kanetibe. Hisy ny fifaninanana hahazoana isa ary eo koa ny fifaninanam-pirenena.
Firenena arabo avokoa no hampiantrano ireo fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja handball amin’ity taona 2025 ity. Hotontosaina any Egypta, ny volana mey, ny “super coupe”, lahy sy vavy,
Tanjon’ny Federasiona malagasin’ny atletisma (FMA) amin’ity taona 2025 ity, ny famerenana ny Marathon de Tana, izay tsy nisy intsony tao anatin’ny taona vitsy. Ankoatra izay, ny volana marsa no hanokatra ny taom-pilalaovany ny federasiona ka hisantarana izany ny Cross-country hatao any Ihosy.