Taolagnaro: nirehitra ny valan-javaboahary Andranara

Nitrangana firehetana tao amin’ny valan-javaboahary Andranara Ambinanibe, Taola­gnaro, ny sabotsy tolakandro teo. Araka ny loharanom-baovao voaray avy any an-toerana, ny ampahany manamorona ny seranam-piaramanidina ao Taolagnaro sy ny ampahany ao Antany Menabe no nirehitra tamin’io fotoana io. Nanamafy izany rahateo koa ny minisitra iray eo anivon’ny governemanta tompon’ny ampahany nirehitra ao Antany Menabe. Tonga teny an-toerana namono ny afo ny sampana mpamonjy voina ao Taolagnaro. Araka ny fanazavan’ny mpamonjy voina, afo niniana natao no nitarika ny firehetana satria tamin’io andro io ihany, nitrangana firehetana goavambe koa tao Ambinanibe. Niara-nirehitra tamin’ny valan-javaboahary, araka izany, ity tao Ambina­nibe ity. Nidina haingana teny an-toerana nijery ny zava-misy ny zandary niaraka tamin’ireo tomponandraikitra eo anivon’ny sampandraharam-paritra misahana ny Tontolo iainana. Voafehy ny afo ho an’ny tao Antany Menabe raha mbola mitohy kosa ny famonoana ny afo ao Am­binanibe (hatramin’ny omaly io). Misokatra, araka izany, ny fanadihadiana ataon’ny zandary amin’izay mety ho tompon’antoka amin’izao raharaha famotehana ny tontolo iainana izao.

Jean Claude

Partager sur: