“Sandra-kalo, Zara fanahy” hetsika tanterahin’ ny avy eo anivon’ny Faribolana Sandratra ho fankalazana ny famaranana ny faha-35 taona nijoroany. Eny amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy, ny zoma 10 janoary, no hanatanterahina ny hetsika. Aorian’izay, hitohy hatrany ireo hetsika samihafa nahafantarana ity faribolana ity.
Hisy ny atrikasa mahakasika ny sokajina hatsikana Stand Up eny amin’ny Bamboo Lodge Antsahavola, isaky ny alarobia. Ho hita ao anatin’izany ny fomba famoronana seho Stand Up an-tsehatra sy ny filalaovana azy. Isaky ny sabotsy kosa no hanehoan’ireo mpiofana ny fahaizana norantoviny amin’ny alalan’ny sehatra misokatra ho an’ny rehetra.
Fahombiazana no azo ilazana ny fitetezam-paritra ataon’ny tarika Rossy any am-pitandranomasina amin’izao fotoana izao. Tomefy olona hatrany ity Malagasy mpanakanto ity tamin’ireo fampisehoana nataony. Ao Frantsa izy ireo amin’izao fotoana izao, taorian’ny tao Lyon, ny sabotsy teo. Ao Paris indray ny tarika no hanao fampisehoana ny 25 janoary izao.
Sahala amin’ny fanao isan-taona, ny 18 janoary izao no hanatanterahina ny “Taombaovao” eny amin’ny IFM Analakely. Fotoana hampahafantarana ny hetsika ara-kolontsaina sy zavakanto rehetra eo anivon’ity ivontoerana ara-javakanto ity. Hisy ihany koa ny fifampirariana soa noho ny taona vaovao eo amin’ny mpiara-miasa sy mpiray ombon’antoka aminy.