Fantina sy fintina

Mitohy hatrany ny fanatsarana ny diplomasia parlemantera ataon’ny avy eo anivon’ny Antenimie­ran­doholona. Nisy ny fivahinianana nataon’ny loholona Ndremanjary Jean André, tany Montpellier. Tao anatin’ izany no nitadiavana fiaraha-miasa ho tombontsoan’ny vondrombahoaka itsinjaram-pahefana.

Niakatra fitsarana, omaly, ny raharaha niampangana an’i Jean Luce Andriamihoatra, teknisianin’ny antoko Tiako i Madagasikara. Voampanga ho niditra an­tsokosoko tao amin’ny tranokalam-pifandraisan’ny Ceni ny tenany. Nahatonga ny fivoahan’ny voka-pifidianana roa samy hafa ho an’ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina teto Antananarivo Renivohitra izany.

Sokajian’ny mpanara-maso iraisam-pirenena maro ho tsara toerana amin’ny ho filohan’ny vaomie­ran’ny Vondrona afrikanina i Mahmoud Ali Youssouf avy ao Djibouti. Anisan’ny mifaninana ho amin’izany toerana izany Randriamandrato Richard. Tsiahivina fa ny volana febroary izao no hanatanterahana ny fifidianana hamaritana izany.

Handray anjara amin’ny 25th NISC. “Mapping today’s Security Environnement To Meet Tomorrow’s Challenge”, atao ny 5 mey hatramin’ny 27 jona 2025, any Genève Suisse, i Madagasikara. Tanjona amin’izany ny hahalalana ny fanamby vaovao momba ny fiarovana sy ny filaminana iraisam-pirenena sy ireo fitaovana hahatrarana izany fanamby izany.

Partager sur: