Misedra olana ireo mpanao asa Tanana, amin’izao. Anisan’izany ny tsy fahampian’ny akora fototra ahafahana manao ny asa. Efa nisy ny fifampiresahana tamin’ireo tomponandraikitra momba izany. Olan’ny mpanao asa tanana koa ny tsy fahampian’ny fahefa-mividin’ny Malagasy.
Tsara fanombohana ny taona ho an’ny fampianarana zavakanto. Samy nampitombo ny taranja (zavakanto) ianarana ao aminy ny ankamaroan’ireo foibe fampianarana zavakanto eto an-dRenivohitra. Anisan’ny kendren’izy ireo, amin’izany, ny hanofana mpampianatra handimby sy hitily ny talenta miafina any amin’ny tsirairay mba hahafahana mampivelatra ny tontolon’ny zavakanto amin’ny ankapobeny.
Tanterahina isaky ny alarobia sy sabotsy, eny amin’ny Maison sociale des arts Ambatovinaky, ny atrikasa mahakasika ny fanaovana sary. Hita ao anatin’izany avokoa ireo fototra sy fenitra fanaovana sary. Ny ankizy no tena kendrena amin’ity hetsika ity. Tanjona ny hitaizana azy ireo dieny izao ao anatin’ny zavakanto sy hamohazana ny talenta ao aminy.
Hiverina manomboka rahampitso ny hetsika ara-javakanto, eny anivon’ny Tranomboky monisipaly Analakely, sy manerana ny boriborintany enina. Hisy ny fanatsarana sy fampitomboana ny hetsika ara-javakanto amin’ireny toerana ireny. Misokatra ho an’ny rehetra, araka izany, ny fiaraha-miasa, ho fanabeazana ny zaza malagasy ao anatin’ny zavakanto.