Vitan-dratsy ho an’ilay mpanamory frantsay, i Sebastien Loeb, ny andiany faha-17 amin’ny Rally Dakar. Tojo olana elektronika ny fiara nentiny ka voatery miato hatrany izy nandritra ireo dingana notanterahina ny alahady sy omaly. Tsiahivina fa nanomboka ny 3 janoary teo ity fifaninanana ity ary hifarana ny faha-17 n’ity volana ity.
Handray anjara amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja tenisy sokajy U14 sy U16 i Madagasikara. Fifaninanana, tanterahina any Windhoek Namibie ny 10 ka hatramin’ny 18 janoary ho avy izao. Raha ny fandaharam-potoana, hatao ny 10 ka hatramin’ny 13 janoary ny lalao ho an’olon-tokana ary ny 14 ka hatramin’ny 18 janoary kosa ho an’olon-droa.
Andrasana amin’ity taona ity indray, ny fahatongavan’ilay filoha iraisam-pirenen’ny baolina lalaovin’olona dimy na “Foot à 5”. Tsara marihina fa hampiatrano ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany amin’ity taranja ity i Madagasikara. Etsy ankilany, ny filohan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), tsy mahafantatra ny fisian’izany eto an-toerana.
Nanjakan’ny klioban’ny Disciples FC indray ny fifaninanana ho an’ny sokajy zandriny, izay nokarakarain’ny UCEF Taninketsa, natao tany Antsirabe, ny alahady lasa teo. Voahosotra ho tompondaka teo amin’ny sokajy U-10, U-14, U-16, ny Disciples. Tsara marihina fa amboara maro izay no norombahan’ny Disciples, anisan’izany ny PFL 2024 sy ny Mada U20.

Partager sur: