Baolina kitra – «Chan 2025»: hatao amin’ny 15 janoary ny antsapaka

Izay vao raikitra. Hatao ny alarobia 15 janoary ho avy izao, ny antsapaka hahalalana izay iray vondrona amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra ho an’ny ekipam-pirenena tsy misy mpilalao matihanina «Chan 2025». Nampahafan­tatra izany, omaly, tao amin’ny tranokalam-pifandraisany ny Kaonfederasiona afrikanina baolina kitra (Caf). Ny lanonana dia hotanterahina ao amin’ny Kenyatta International Convention Centre ao Nairobi, manomboka amin’ny 8 ora alina eto Madagasikara. Vao­vao iray lehibe andrasan’ny Malagasy mpitia baolina kitra tokoa izy ity. Satria, anisan’ireo firenena 18 tafita amin’izany dingana famaranana izany ny Barea de Madagascar.
Raha tsiahivina, ao anaty satroka faharoa no misy ny Malagasy amin’ity antsapaka ity. Raha izao fipetrany izao, tsy maintsy ho tafara-bondrona amin’ireo firenena goavana eto Afrika, izay ao anaty satroka voalohany ny Barea ka anisan’izany i Maroc, hany firenena misolotena ny firenena arabo. Eo koa ny voromaherin’i Nigeria, ny RD Congo sy i Burkina Faso ary i Angola.
Marihina fa firenena telo no indray hampiantrano ity fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika ho an’ny ekipam-pirenena tsy misy mpilalao matihanina ity dia i Kenya sy i Tanzanie ary i Ouganda. Hanomboka ny 1 febroary ny fihaonana ka haharitra hatramin’ny 28 febroary 2025.

Tompondaka

Partager sur: