Nisy nanafika ny tranombarotra lehibe iray eny Andranomena, omaly. Voalazan’ny polisy teny an-toerana fa
tombanana ho 20 miliara Ar ny vola very. Tsy nahazoam-baovao ny lasibatra nandritra ny fanadihadiana teny an-toerana.
Jiolahy efatra nitondra moto roa, nandroba vola tamin’ny sakaosy teny Andranomena, omaly. « Nitaingina moto scooter marika Racing ny roa lahy ary G5 ny roa », hoy ny fanazavana voaray avy eo anivon’ny polisim-pirenena misahana ny famotorana. Samy nanao aroloha, nanatona ny fiara tsy mataho-dalana iray teo amin’ny faritra misy ilay tranombarotra lehibe ny roa lahy.
Naharaka ny nitondrana ny vola hiditra anatin’ny fiara rahateo izy ireo. Minitra vitsy taorian’io, nanakaiky ny fiara koa ireo roa lahy hafa nitondra ny moto faharoa. Tsy nisy alaharo: “Naka goialaka na irony sakaosy vita amin’ny jiafotsy misy hidiny irony ny iray tamin’ ireo efa-dahy. Nafatratr’izy ireo tao anatin’izany ny volabe”, araka ny fanazavan’ny polisy teny an-toerana.
“Nitondra fitaovam-piadiana rahateo ireo efa-dahy. Nananosarotra ho an’ny tompom-bola ny hanohitra ireo mpandroba”, hoy hatrany ny mpitandro filaminana.
Tratry ny “camera”
Tsy nisy niafina, voarakitra an-tsary avokoa ny fihetsik’ ireo efa-dahy nanao ny fandrobana teny an-toerana, omaly, ireo. “Narahina maso tamin’ny camera de surveillance”, niakatra nihazo an’Ambohibao ny roa lahy raha toa ka nahazo ny lalan’Andranomena nianantsimo ny namany”, hoy ny tomponandraikitry ny famotorana. Tsy voafaritra mazava ny totalim-bola lasan’izy ireo. “Misy milaza fa maherin’ny 100 miliara fmg ny vola voaroba”, hoy hatrany izy. Samy nanao fanamiana “jogging” avokoa ireo efa-dahy. Marihina, tsy nisy poa-basy nandritra ny fandrobana.
Tsy afaka nanaovana fanadihadiana ihany koa ny lasibatra tamin’ny fotoana nandalovana teny an-toerana.
Tsiferana R.