May omaly tamin’ny 01 ora sy 20 minitra maraina ny studio an’ny radio tsy miankina iray, etsy Ankaditapaka Manjakamiadana. Naharay antso mahakasika ny tranga ny avy amin’ ny sampana mpamonjy voina ka niainga avy hatrany roa minitra taorian’ny antso. Niaraka tamin’ny fiarabe mpamono afo anankiroa avy ao amin’ny foibe Tsaralalàna, tonga teny an-toerana tamin’ny 01 ora sy 38 minitra tany ho any. Voafehy tanteraka ny afo tamin’ny 02 ora sy 41 minitra, 43 minitra taorian’ny nahatongavan’ny mpamonjy voina teny an-toerana, raha ny fanazavana voaray avy amin’ny sampana mpamonjy voina.
Trano biriky mitafo fanitso misy rihana anankiray ilay nirehitra. “Nahitana firehetana ny efitra iray tany ambony, izay voalaza fa an’ny radio iray eny an-toerana”, hoy ny commandant, Ralaivaonoro Eric Olivier, lehiben’ny sampana mpamonjy voina. May tsy nisy noraisina intsony ny entana rehetra tao anatiny, toy ny emetteur, solosaina, ny fanaka rehetra, ny gorodona sy ny entana hafa tao anatiny. Avotry ny sampana mpamonjy voina soa aman-tsara kosa ny efitra ambany.
Nananosarotra ny famonoana afo noho ny fitsokan’ny rivotra, noho ny toerana avo. Nangataka “renfort” avy amin’ny caserne Andravoahangy izy ireo. Niampy fiarabe mpamono afo iray. “Compteur” nipoaka ny antony nahatonga ny firehetana, raha ny fanazavana voaray tamin’ny mponina teny an-toerana. Andrasana ny tohin’ny fanadihadiana mahakasika ny tranga.
Mino