Mahavalalanina ny fiarahamonina misy ny Malagasy amin’ izao fotoana izao. Izay jerena sy lalovana dia maizina, na ara-bakiteny na ara-keviny… Mahantra sy fadiranovana ny isan-tokantrano. Mitrongy vao homana ny ankamaroany. Bokan-trosa ny maro anisa. Tsy mahagaga raha mahazo vahana ny tsy fandriampahalemana.
Fadiranovana ny isam-baravarana, olom-bitsy no migoka ny tombontsoa. Rariny sy hitsiny izany satria izy ireny no miketrika sy manodim-bola. Ny ankamaroan’ny olona, tsy afa-manoatra sy mipepopepo, mionona amin’ny vahaolana peta-toko sy vonjy tavanandro. Milahatra banky, mindram-bola ny mpiasa isam-bolana.
Mila fitadiavam-bahaolana maharitra sy mahomby izany. Tsy ampy ny fizarazarana indray mandrotsaka maimaimpoana. Zary mamboly toe-tsaina tolora-potsiny izany. Mamboly hakamoana sy sain-dratsy handroba ny hafa. Porofon’ izany ny trangam-piarahamonina, miseholany etsy sy eroa. Fanafihana etsy, fandrobana eroa. Vaky trano atsy, sinto-mahery ary.
Mampiteny ny moana ny fandrobana atoandrobenanahary. Feno fahasahiana ny olon-dratsy. Tsy matahotra mpitandro filaminana fa mihantsy ara-bakiteny. Milanja basy ety ampovoan-tanàna. Maka ny tsy an’ny tena imason’ny vavolombelona marobe. Ny tsy manan-tsiny no lasibatra sy indroa mahita ny maizina. Sady efa mifofotra mitady vola no mbola mahita faisana amin’ny jiolahy.
Izany eo ihany! Fa ny tena zava-doza dia matetika tafiditry ny tandroka aron’ny vozona koa ilay fandrobana. Misimisy ihany izay asan-jiolahy nahenoana mpitandro filaminana izay. Tranga anisan’ny tena niavaka, saingy tsy nisy mpiteny, ohatra, ny fandrobana volabe 300 tapitrisa Ariary, teny Ankazomanga, ny 12 desambra. Sady nanao fanamiana sy tsy nanafina endrika izy ireo. Efa nividianana fiara ny ampahany tamin’ny vola vao voasambotra ry zalahy.
Tsy natao ifamendrofendroana izany fa hitarihana ny fahatongavan-tsain’ny Malagasy.
r.r