Mihamihena sy mitotongana ny tontolon’ ny baolina kitra any amin’ny faritra Atsinanana, amin’izao fotoana izao. Antony mahatonga izany ny tsy fahampiana sy ny faharatsian’ny kianja filalaovam-baolina. Misy voka-dratsy goavana any amin’ny mpilalao sy ireo tanora maniry ny hivoatra
eo amin’io sehatra io izany.
Nitotongana ny tontolon’ ny baolina kitra any amin’ny faritra Atsinanana, amin’izao fotoana izao. Antony maro ny mahatonga izany, raha ny fandihadiana natao. Voalohany indrindra, tsy re intsony ireo ekipa nalaza rehetra teo aloha. Anisan’ izany, ny klioban’ny MMM, ny As Port, USSM Stade, izay nijoro talohan’ny taona 1980 tany ho any. Teo ihany koa ry As Fortshior na lavandana, Dilon’i Mahanoro, TFC, Fifafify, Puma vert, izay hita farany talohan’ny taona 2014 tany ho any. Antony mahatonga izany, ny tsy fahampian’ny kianja
filalaovam-baolina any an-toerana, raha ny fanadihadiana natao.
Vokany, tsy nanana klioba tao anatin’ny laharan’ny diviziona voalohany intsony ny faritra Atsinanana, tao anatin’ ny 10 taona izay. Nahatonga ny fitotongan’ny tolontolon’ny baolina kitra any an-toerana izany zava-misy izany. Etsy ankilany, miezaka manangana ny sekolin’ny baolina kitra, any an-toerana, ihany ireo andrarezina amin’io sehatra io. Olana sedrain’izy ireo anefa ny tsy fisian’ny kianja sy ny fifaninanana tokony hatrehin’ ny ankizy. Vokany, lasa mijanona ho sekoly anarany fotsiny izany fa tsy misy fampiharana sy fanazarantena ho an’ireo mpiofana.
Tsy manana kianja voakarakara
Anisan’ny manana kianja manara-penitra ny ao an-tanànan’i Toamasina I. Hita ao Barikadimy io kianja io ary nandraisana lalao iraisam-pirenena teo amin’ny sehatry ny baolina kitra. Amin’izao fotoana izao, efa mihasimba tsikelikely izy io noho ny tsy fahampian’ ny fikarakarana sy ny fikoloana, raha ny fanazavana voaray.
Amin’ny ankapobeny, verezin’ny disitrikan’i Toamasina faharoa i Toamasina voalohany raha eo amin’ny lafiny hatsaran’ny kianja fanaovam-baolina no asian-teny. Mbola tsara avokoa ny kianja any Toamasina II, ankehitriny, saingy tsy ampy teknisianina hampiofana sy hanazatra ny mpilalao.
Mahatratra 50 000 Ariary ny saran’ny kianja
Handoavam-bola ny fampiasana ny kianja manara-penitra ao Barikadimy Toamasina voalohany, amin’ny ankapobeny, raha ny fanadihadiana. Handoavana 30 000 Ariary isaky ny mpanao fanazarantena izany rehefa andavanandro, raha ny fanazavana voaray.
30 000 Ariary isaky ny sabotsy sy alahady kosa izany ho an’ny lalao na fifaninana karakarain’ny seksiona isan-tokony. Mahatratra hatramin’ny 50 000 Ariary kosa izany raha ho an’ny fikambanana. Tsipaipaika omena ny mpiasa eo anivon’ny kianja izany amin’ny ankapobeny, araka ny fanazavana. Mbola mahery be noho ireo vola aloha ireo kosa izany raha toa ka hanaovan’ny olona hetsika ara-pivavahana ny kianja.
Betsaka, araka izany, ny vola miditra amin’io kianja io fa saingy finiavana hanatsara sy hikolokolo ny fotodrafitrasa no tsy misy, raha ireo zava-misy ireo no jerena.
Eny amoron-dranomasina
Antony iray mampitotongana ny tontolon’ny baolina kitra any amin’ny faritra Atsinanana ny tsy fisian’ny kianja hanaovana fanazaran-tena sy fifaninana. Vokany, lasa voatery eny amin’ny torapasika ireo tanora no milalao.
Misy ihany ireo kianja eny an-tanàna, izay hita ao amin’ny fokontany Analankininina Hopitalibe, Toamasina. Atahorana ny mety hahatonga sy hisian’ny loza isan-karazany eo amin’ny mpilalao izy io. Satria, somary manamorona ny lalana vita amin’ny beton sy fefy vato. Noho izany, mety handratra ny mpilalao manao fanazaran-tena eo amin’ity toerana ity. Natao hisakanana ny baolina tsy ho tonga amin’ny fiara mandalo ary any amin’ny olona sy ny maro hafa ny antony nanaovana ireo fotodrafitrasa vita amin’ny vato sy beton ireo.
Marihina fa efa nisy fampanantenana nataon’ny filoham-pirenena tamin’ny vahoaka tany an-toerana, ny taona 2019 lasa teo, mahakasika ny hanamboarana io kianja io. Miandry ny fanamboarana izany kosa ireo olona, indrindra fa ny tanora misehatra amin’ny tontolon’ny filalaovana baolina kitra, amin’izao fotoana izao. Miandrandra fahavitan’ny fotodrafitrasa maro amin’ny sehatry ny baolina kitra ny tanora mba hahafahan’izy ireo milalao. Anisan’ny ady amin’ny firongatry ny fifohana zava-mahadomelina sy ny asa ratsy mateti-piseho any an-toerana izany.
Nanatontosa: Sajo