Fiovan’ny toetr’andro: ho mafy ny fiantraikan’ny loza voajanahary

Araka ny tatitry ny Banky iraisam-pirenena, manodidina ny 1,2 miliara ny olona ho tratry ny ambana amin’ny loza voajanahary tena mafy maneran-tany. Ao anatin’izany ny hisian’ny tondradrano, ny hafanana tafahoatra sy ny haintany, ny rivodoza, sns. Any amin’ny firenena mahantra daholo ny ankamaroan’ireo olona ireo, toa an’i Mada­gasikara. Ho an’ny Banky iraisam-pirenena, vahaolana tsy maintsy atao ny hiantohan’ny fampandrosoana haingana sy afaka miatrika ny zava-misy ary indrindra fametrahana paikady mahomby ho an’ny sokajin’olona isan’ambaratongany.
Eto amintsika, anisan’ny tena iharan’ny fiovan’ny toetr’andro ny any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy. Tsy araka izany intsony anefa ny zava-misy, fa saika efa hita manerana an’i Madagasikara ny fiantraikan’ny fiovan’ny toetr’andro. Araka ny vaovao avy amin’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro, tafakatra ambony ny maripana manerana ny faritra maro, sady tara ny fiavian’ny orana.

Njaka A.

Partager sur: