Tsy afa-misaraka amin’ny niomerika ny fitantanan-draharaham-panjakana mba hanamorana ny fikirikirana samihafa sy hampangarahara ny fitantanana. Antony nametrahan’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola (Mef) tetikasa fampandehanan-draharaha ny sehatra famatsiam-bola ivelany.
Fitaovana entina hanavaozana ny fitantanana ny famatsiam-bolam-panjakana amin’ny alalan’ny haitao ara-kajy mirindra ny tetikasa. « Tanjona ny hiantohana ny fampiasam-bola mahomby amin’ireo mpandray anjara rehetra misandrahaka any amin’ireo minisitera misitraka ny fampiasam-bola sy ireo sampana mpanara-maso ny tetikasa. Tafiditra ao anatin’izao ny fanavaozana ny fitantanan-draharaham-panjakana. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa fanamafisana ny fitantanana amin’ny alalan’ny haitao ara-kajy mirindra na ny Projet de renforcement de la gouvernance par la digitalisation (Pregodi) tohanan’ny Banky afrikana ho an’ny fampandrosoana (Bad) ity tetikasa ity. Mitentina hatrany amin’ny 1,3 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola hananterahina ny tetikasa sy handrisihina ny fiaraha-miasan’ireo mpisehatra rehetra. Noho izany, haharitra 12 volana ny famolavolana ny tetikasa iarahana amin’ny seha-panjakana sy ireo mpiara-miombon’antoka maro misalahy amin’izany.
Fanavaozana
« Tafiditra ao anatin’ny drafitrasa stratejika ho amin’ny fanavaozana ny fitantanana ny volam-panjakana (PSMFP) ity vovonana ity. Azo atao, araka izany, ny manara-maso ireo tetikasa mahazo famatsiam-bola avy any ivelany hampifanarahana amin’ny rafitra efa misy », hoy ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo, omaly. Ankoatra izay, tafiditra ao anatin’ny tetikasa fampandrosoana ny sehatry ny fitantanana ny famatsiam-bola anatiny, ny tetikasa. “Kendrena manokana ny hisian’ny rafitra tokana amin’ny fitantanana ny trosam-panjakana”, hoy kosa ny tale jeneralin’ny tahirimbolam-panjakana, Rajaofetra Andry Nirina, omaly, tetsy Anosy, nandritra ny fampahafantarana ny tetikasa.
Henintsoa Hani