Tanterahina ny 22 ka hatramin’ny 26 janoary, eo amin’ny Parc des expositions IFEMA Madrid, ny hairanty iraisam-pirenena momba ny fizahantany (FITUR), andiany faha-45. Hetsika handraisana ireo matihanina amin’ny sehatry ny fizahantany ka anisan’ireo handray anjara amin’izany i Madagasikara amin’ny alalan’ny Ofisim-paritry ny fizahantany ao Nosy Be (ORTNB). Ho hita mandritra izany ireo toerana sy faritra mampiavaka ny Nosy malagasy. Hampiroboroboana ihany koa ny fampahafantarana an’i Madagasikara any ivelany amin’ny alalan’ny fizahantany, ho fampiroboroboana ny toekarena. Malaza maneran-tany ny “FITUR”, noho izy, mampivondrona amina toerana iray ireo talenta isan-karazany. Hisongadina mandritra ny dimy andro ny tontolon’ny fizahantany sy ny paikady entina hampiroboroboana izany. Nasaina manokana mandritra ity andiany 2025 ity i Brésil. Tsiahivina fa mahatratra 152 ireo firenena nandray anjara tamin’ny hairanty iraisam-pirenena momba ny fizahantany tamin’ny taon-dasa. Tafakatra hatrany amin’ny 250 000 ireo mpitsidika tamin’izany.
Henintsoa H.