Manohy ny fanadiovana ny tanàna ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Anton’izany ny loto nateraky ny fety noho ny hamaroan’ny olona nivezivezy tamin’ireo hetsika sy fiantsenana maro. Nimasoana aloha ireo toerana tena be olona toy ny teny Ambohijatovo sy Analakely. Hitohy eny amin’ny toerana hafa sy ireo misy tsena izany.
Mpianatra 260 no traboina vokatry ny firehetan’ny Cité Prefat tao amin’ny oniversiten’Andrianjato Fianarantsoa. Efitra 12 no ravan’ny afo tamin’izany. Nankahery ireo mpianatra ny minisitry ny Fampianarana ambony ary nilaza fa hitondra izay vonjy ranovaky tsy maintsy hatao hanampiana azy ireo.
Nisongadina nandritra ny fananganan-tsaina nataon’ireo minisitera maromaro, omaly, ny herijika vaovao entina miasa ho an’ity taona 2025 ity. Samy naneho fahazotoana hampandeha ny raharaham-bahoaka ny mpiasam-panjakana isan-tsokajiny, toy ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka.
Fotoan’ny fihinanan-kanina ny fety aman-danonana. Betsaka ireo nahatsiaro tena ho nitombo lanja taorian’izany ka mihazakazaka mamonjy toerana fanaovana fanatanjahantena. Fanombohana tsara ho an’ny fitaizam-batana ny fanaovana izany amin’ny fiantombohan’ny taona, hoy ny coach Rivo. Na lehilahy na vehivavy, tokony hitaiza vatana avokoa.