Mampikaikaika ny maro ny volana janoary toy izao. Vanim-potoana mampiiba ny toekarena sy ny fidiram-bolan’ny isan-tokantrano. Ao ireo manokana tetibola hanaovana fety, misy kosa ireo efa manomana sy nikajy sahady ny fitantanana mandritra ity volana ity. Na izany, sarotra ny fitantanana manoloana ny fisondrotry ny vidin’entana. Ankehitriny, mahatratra hatrany amin’ny 4 000Ar ny kilaon’ny vary makalioka sy manalalondo, eny an-tsena. Miakatra tsikelikely ihany koa ny kilaon’ireo vary hafa karazana, ho an’ny avy eto an-toerana sy ny avy any ivelany. Noho izany, mihena ny tahan’ny fanjifana, na ho an’ireo mbola hivarotra izany na ho an’ny isan-tokantrano. Mbola ahina anefa ny hiakaran’ny vidim-bary amin’izao fotoana, noho ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ny tsy fisian’ny orana. Mikaikaika koa ny tantsaha fa tsy afa-mamokatra. Ritra ny rano, maina ny tany. Mananosarotra ny fambolena sy ny famokarana. Manoloana ny zava-misy, misy amin’ireo mpaninjara no mitazona ny tahiriny ka mampiakatra ny vidin’entana. Hiantraika amin’ny famokarana amin’ity taona ity ny zava-misy. Manampy trotraka ny faharatsian’ny lalana sy ny olan’ny fitaterana.
Tantara sisa
Firenena marefo manoloana ny fiovaovan’ny toetr’andro i Madagasikara. Mirongatra ny doro tanety amin’izao vanim-potoan’ny maintany izao. Mahatratra hatrany amin’ny 100 000 ha ny ala may eto Madagasikara, hatramin’ny voalohan’ny volana aogositra 2024. Tafiditra ao anatin’izany ireo faritra arovana sy valan-javaboahary samihafa. Mampanahy ny hoavin’ny taranaka malagasy. Firenena malaza amin’ny fananana harena voajanahary miavaka i Madagasikara saingy ho tantara sisa izany raha tsy misy ny fandraisana andraikitra hentitra sy haingana mahakasika izany.
Henintsoa H.