Mandrora miantsilany: ny olombelona ihany no mampiova ny toetr’andro

Mahafantatra ny rehetra fa ny asa ataon’ny olombelona ihany no mahatonga ny fiovan’ny toetr’andro, toy ny fandoroana ala sy tanety, ohatra. Anisan’ny fiantraikany hita maso ny tsy firotsahan’ny orana iaraha-mahita.

Mirongatra hatrany ny fandoroana ala eto amintsika, ankehitriny. Vao farany izao, may ny ala arovana any Mandena, Taolagnaro. Rakotra afo sy setroka hatrany amin’ny arabe mankany an-toerana. Tranga hafa koa, andro maromaro vao maty ny afo, tany Ambalakindresy, any amin’ny valan-javaboahary Ranomafana Ifanadiana, ny 26 desambra 2024 teo. Manampy ireo, fatana saribao miisa 60 no tratran’ny tomponandraiki-panjakana tany amin’ny kaominina Fera­manga, Ambatondrazaka, ny 28 desambra teo.
Santionany ihany ireo notaterina ireo. Mifototra amin’ny fandoroana sy ny fandripahana ny ala, ny fikapana ny hazo, ny fanaovana saribao, ny fambolena amin’ny tavy, sns. Mandrora miantsilany isika, miara-mizaka ny vokany. Ritra ny loharano sy ny renirano, tsy milatsaka ny orana, manerana ny faritra maro. Tsy afaka mamboly vary ny tantsaha satria tsy milatsaka ny orana, na efa tena ao anatin’ny vanim-potoana fahavaratra aza izao. Maivam-boa ny varialoha raha ny vokatra eto an-dRenivohitra sy ny manodidina. Tsy afaka manetsa ihany koa ny mpamboly vary vakiambiaty, toy ny any Alaotra, izay fotoana tena fanombohana ny fanetsana izao fiandohan’ny taona izao. Tena miantoka ny famatsiam-bary eto Madaga­sikara, indrindra ny aty afovoantany anefa ny any Ambaton­drazaka.

Tsy ho foana ny fahantrana
Manamarina ireo voalaza rehetra ireo ny Banky iraisam- pirenena. Fototry ny fanimbana ny harena voajanahary ny tsy fisian’ny asa manara-penitra, ataon’ny 80% ny Malagasy. Miaina ambanivohitra sy mivelona amin’ny fambolena ny 70%. Raha ny vinavinan’ity rafitra iraisam-pirenena ity, tsy ho tratra ny tanjona hanafoanana ny fahantrana amin’ny taona 2030.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: