Mgr Randriamamonjy Marcellin: voatendry ho evekan’ny diosezin’i Farafangana

Tafapetraka tamin’ny fom­ba ofisialy ny alahady lasa teo ny eveka, ny Mgr Randriamamonjy Mar­cellin. Voatendrin’ny papa ray masina hiasa sy hitantana ny diosezin’i Farafangana, raha toa ka niasa teo anivon’ny diosezin’i Fenoarivo Atsinanana, teo aloha.
Noraisina tamin’ny fomba ofisialy tamin’ny alalan’ny fotoam-pivavahana, tany an-toerana, izy, nandritra izany. Fotoana nanatanterahany ny fifanaovan-tsonia fiekem-pi­noana sy nankatoavany ny rafitra misy eo anivon’ny Egli­zy Katolika Romana (Ekar). Izay teo ambany fitarihan’ny Mgr Tomaasz Grysa, Nonce Apostolika eto Madagasikara.

Natrehin’ny manam-pahefana isan-tsokajiny
“Tsy evekan’i Fara­fangana irery ihany izy satria tokony mifameno ny fanjakana sy ny mpitondra fivavahana amin’ny fitantanana ny firenena”, hoy ny minisitry ny Fitsarana sy mpitahiry ny fitombokasem-panjakana, Rako­to­mandimby Benjamin Alexis, izay tonga nanatrika ny lanonana. Ankoatra izay, tonga tany an-toerana ihany koa ny filoha lefitry ny Antenimierandoholona misahana ny faritra Atsimo Atsinanana, ny governoran’ny faritra, ireo sivily sy miaramila, ary ireo mpino kristianina manerana ny lafivalon’ny Nosy.

Mino

Partager sur: