Hatsangana amin’ity taona ity ny Fisafoan-draharaha ankapoben’ny fitsarana (Inspection générale de la justice). Fantatra izany tamin’ny fanambaran’ny minisitry ny Fitsarana, Rakotomandimby Benjamin Alexis, teny Faravohitra, omaly.
Notanterahana omaly ny fifampiarahaban’ny fianakaviamben’ny minisiteran’ny Fitsarana noho ny fahatongavan’ny taona vaovao 2025. Nisongadina tamin’ny lahatenin’ny minisitra fa hapetraka amin’ity taona ity ny fisafoan-draharaha ankapoben’ny fitsarana. Voalaza ao anatin’ ny Lalàmpanorenana io rafitra io, araka ny fanazavana azo. Na izany aza, mbola ao anatin’ ny fotoana handinihina ny fomba hanatanterahina azy ny minisitry ny fitsarana. ” Marihina fa efa misy fanaovana fisafoan-draharaha fa tsaratsara kokoa raha rafitra fisafoan-draharaha ankapobeny no manao an’izay. Tsy misy hatrany ny fanamby atao amin’ ny mpitsara mahaleo tena. Eo koa ny rafitra mpanara-maso.”, hoy izy. Misy fitsipika ny fomba fiasa, araka ny nambarany hatrany.
Nohamafisin’ny minisitra fa mahaleo tena amin’ny fanatanterahana ny asany ny mpitsara. Anjaran’ny mpanao fisafoana ny mijery izay ataon’ny mpitsara. Misy ny fanomezana fankasitrahana amin’izay atao rehefa voamarina, na sanatria fanasaziana, hoy ity tomponandraikitra ity.
Nantitranteriny fa mitohy, hamafisina ny ady amin’ny kolikoly. ”Fanamby ny fitsarana matanjaka, lavitry ny kolikoly, itokisan’ny vahoaka, manaja ny zo maha olona. Rehefa miteny hoe fitsarana, ao avokoa ny rehetra: na mpisolovava, na mpirakidraharaha, na mpitsara, na mpandraharahan’ny fonja… Mahay miara-miasa izany”, araka ny nambarany.
R. Nd.