“Miantso fitoniana isika amin’izao fotoana izao. Aoka tsy hakorontana ny firenena amin’ny alalan’ny teny fihantsiana hoe fanaovana iray sy iray. Raha fanaovana sy fifanandrinana politika no resahina: ny iray sy iray, efa vita ny fifidianana filohan’ny Repoblika”. Io ny hafatry ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina sady mpitondra tenin’ny governemanta, Mara Volamiranty Donna, nampitaina tamin’ny video, afakomaly, manoloana ny fihetsiky ny mpanohitra sasany. Efa niatrika ny filoha Rajoelina Andry tamin’ny fifidianana izany olona izany ary efa nomen’ny vahoaka azy ny hafatra hoe 14% ny vatony. Nahazo vato 58% mihoatra ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Tsy efa vita ve ny iray sy iray, ary inona no tiana hapetraka eto amin’ny firenena? Mamboly korontana… Efa nandalo fifidianana avokoa ireo miantso an’izany fanakorontanana izany. Efa napetraky ny vahoaka ny toeran’izy ireo tamin’ny voka-pifidianana natao. Koa aoka hilamina ny firenena, ary hiatrika fampandrosoana ny vahoaka.
Mampalahelo ny zava-misy ankehitriny: misy mitady hivoy korontana amin’ny fampitana vaovao tsy marina. Amin’ny alalan’ny fihantsiana aza ny an’ny mpitarika politika sasantsasany. Misy aza ny manao fanehoan-kevitra hoe fihantsiana ady, raha tsy hiresaka afa-tsy ilay fiteny hoe: andao hanao iray sy iray. Tsy soatoavaina malagasy izany. Manana ny soatoavina ny Malagasy dia ny fihavanana sy fifankatiavana, indrindra amin’izao fotoan’ny Asaramanitra izao. Fantatry ny Malagasy fa mitodika any amin’ny fampandrosoana marina ny fitondram-panjakana amin’ izao. Hita izany tamin’ny kabarin’ny filohan’ny Repoblika, tamin’ny faran’ny taona, fa efa mitodika amin’ny fampandrosoana.
R. Nd.