Raha ny vaovao voaray avy eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), anarana mpanazatra roa sisa no hanaovana safidy amin’ny fitantanana ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar “A”. Miandry ny fanapahan-kevitry ny fanjakana sisa izany.
Tsy ho ela dia ho fantatra ny anaran’ny mpanazatra vaovao hitondra ny ekipa nasionaly malagasy, Barea de Madagascar “A”. Araka ny loharanom-baovao iray eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny Baolina kitra (FMF), omaly, efa nanolotra anarana roa eny anivon’ny fitondram-panjakana izy ireo. Raha ny siosion-dresaka heno tamin’ity mpampita vaovao ity, i Anthony Da Silva, teratany portiogey sy i Corentin Martins, frantsay, no hanaovana sivana farany amin’izany.
Tsara marihina fa hiarahan’ny FMF sy ny fanjakana mandoa ny karaman’ny teknisianina hitondra ny Barea de Madagascar. Fanamby goavana moa no miandry ilay olona handimby ny toeran-dRakotondrabe Romuald Felix na ny Coach Rôrô, Malagasy nitondra ny Barea “A” teo aloha. Anisan’izany ny hahatafakatra an’i Madagasikara any amin’ny “Mondial 2026”. Ny volana marsa ho avy io, hifandona amin’i Ghana sy i Centrafrique ny Barea, lalao izay tafiditra amin’ny ady tapakila hiatrehana ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany 2026, hatao any Meksika sy Etazonia.
Samy manana ny lazany
Ankoatra izay, ampahafatarina ihany fa samy manana ny lazany amin’ny resaka baolina kitra izy mirahalahy ireto. Raha ho an’i Anthony Da Silva manokana, efa nitondra klioba avy atsy Portugal, toy ny Academico Viseu sy ny SC Freamunde ary ny GD Brangaça ny tenany. Nanao mpanazatra mpanampy tao amin’ny ekipa nasionalin’i Cameroun ihany koa izy ny taona 2019 hatramin’ny 2022. Nitondra ny FC Politehnica Iasi avy any Roumania moa izy ny taona lasa teo. Nitantana ny klioba frantsay, Stade Brestois 29 France, nandritra ny taona 2008-2013, kosa i Corentin Martins. Taorian’izay izy, nanazatra ny ekipam-pirenen’i Mauritanie, ny taona 2014-2021.
Fitia Randria