Nizara kominio: very tao am-piangonana ny poketran’i masera

Poketra nisy finday roa sy vola an’ny relijiozy iray lasan’ ny mpangalatra, tao am-piangonana teny Malaza Andoha­ranofotsy, ny alahady 5 janoary teo. Nandritra ny lamesa fidirana fahatelo, nampandray tao amin’io toeram-piangonana io ilay relijiozy. Netin’ny fahatokisana, napetraka teo amin’ny seza ny poketra. Tao anatin’ny indray nipi-maso, sendra nihodina nanao ny asa fanompoana izy kinanjo tsy hita intsony ilay poketra. Tsikaritry ny mpi­angona fa nisy roa lahy nivezivezy teo amin’ny toeran’ilay relijiozy. Tsy fantatra ny nandosiran’izy roa lahy ahina ho nangalatra ny poketra. Eo am-panatontosana ny fikarohana ny nahavanon-doza ny mpitandro filaminana. Marihina, efa tafiditra hatrany amin’ny toeram-pivavahana ny mpangalatra ka mila mailo ny tsi­rairay.

Tsiferana R.

Partager sur: