Taekwondo WT: hatao any Vakinankaratra ny fifaninanana nasionaly

Raha ny fanadihadiana natao omaly, teo anivon’ny Federasiona malagasin’ny taranja Taekwondo WT (FMTKD), hatao any Antsirabe, ny volana aogositra ho avy io, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara. Hanana ny lanjany tanteraka ity fifaninanam-pirenena ity. Ny efatra voalohany isan-tsokajy ihany no afaka miatrika ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, izay hotontosaina ny volana novambra ho avy izao, eto an-dRenivohitra.
Raha eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena indray, tsy mbola azon’ilay mpitantana ny federasiona ankehitriny ilay code iraisam-pirenena hahafahana mandefa atleta mifaninantsana any ivelany. Tsara ny mampahatsiahy fa mbola fikirin’ilay lehiben’ny FMTKD teo aloha ity taratasy ity. Raha ny filazan’ny loharanom-baovao iray, izy no miatrika ny fivoriambe ara-potoana (AG) izay hataon’ny Federasiona iraisam-pirenen’ny Taekwondo.
Ankoatra izay, tsy mbola nahazo fankatoavana tao amin’ny Komity Olympika malagasy (kom) ny Federasiona Taekwondo WT, amin’izao fotoana izao.
Tsiahivina anefa, mijoro ara-dalana sy efa nahazo taratasy faneken’ny minisiteran’ny Fanatanjahantena sy ny tanora (MJS) ny rafitra federaly, izay tantanin-dRakotomanana Franck Tiana.

Fitia Randria

Partager sur: