Nisy namaky ny alahady hifoha alatsinainy teo ny Emetteur an’ny orinasan-tserasera amin’ny alalan’ny fahitalavitra tsy miankina iray etsy Ambohimitsimbina. Hita sy fantatra izany nandritra ny fizahana nataon’ny teknisiana teny an-toerana, omaly maraina. Nisy fahatapahana kely ny fandehanan’ity fahitalavitra ity tamin’ny 12 ora alina talohan’io andro io. Namerina izany kosa ny teknisianina omaly tamin’ny 5 ora maraina nefa tsy nandeha. Tsy azon’ iza idirana eny an-toerana raha tsy mahazo alalana avy ao amin’ny ORTM.
40 ireo mpifindra monina tsy ara-dalàna voasambotra tany Mahajanga, omaly alina. Noravan’ny borigadin’ny zandarimariam-pirenena any an-toerana ny fifindra-monina tsy ara-dalàna. Nahitana teratany vahiny 38 tamin’ireo mpandeha miisa 40 ireo. Teratany somalianina ny 36, etiopiana iray sy kaomorianina iray ary Malagasy roa hafa. Efa eo anivon’ny sampana fikarohana mahakasika ny heloka bevava ao Mahajanga ny fanadihadiana amin’izao fotoana izao.
Vehivavy mpivarotra rongony voasambotry ny polisy tao Ambohimagnary, faritra Diana, ny 4 janoary teo. Nosavaina ny trano fonenany ka nahatrarana rongony tamina fonosana maromaro.