Voasambotry ny polisim-pirenena ilay lehilahy tompon’antoka tamin’ny fandrobana toeram-pisakafoana iray tao Tsimbazaza, ny 2 janoary teo. Novakian’io olon-dratsy io ny efitrano nisy ny entana sarobidy, toy ny fatana mandeha amin’ny entona fandrehitra, miampy fitaovana fampiasa an-dakozia lafo vidy. Nametraka fitoriana teny anivon’ny manam-pahefana ny tompon’ny toerana lasibatra satria matiantoka tanteraka izy ireo. Nahatratra 18 100 000 Ar ny vidin’ny entana lasan’ny mpangalatra. Nanao ny fanamarinana ny ahiahin’ny lasibatra ny polisy eo anivon’ny kaomisarian’ny boriborintany fahadimy. Nosavaina tany amin’ny tokantranon’ny lehilahy iray voalaza ho nahavanon-doza. Tratra tao aminy ny ampahany tamin’ireo entana voalaza. Efa navadiny vola kosa ny sasantsasany tamin’ireo nangalariny. Niaiky heloka, nentina nihazo ny biraon’ny kaomisaria natao famotorana io lehilahy io. Hatolotra ny fampanoavana izy aorian’izay.
Tsiferana R.