Mila mitandrina ny rehetra amin’ny fihinanana hazandranomasina amin’izao fiakaran’ny hafanana izao. Misy ny petadrindrina ataon’ny fanjakana, milaza ireo karazana hazandrano tsy azo hohanina, mba hisorohana ny loza aterak’izany (Icam). Satria miakatra izaitsizy ny hafanan’ny ranomasina, miantoka ny 80%-n’ny toetr’andro amin’izao fotoana izao.
Niakatra ny haavon’ny reniranon’Ifasy, any amin’ny lalam-pirenena faha-6, nanomboka omaly. Manomboka safotry ny rano ny lalana vonjimaika fiampitana, ka mila mitandrina ny mpampiasa lalana. Efa any an-toerana ny tomponandraikitry ny minisiteran’ny Asa vaventy sy ny orinasa Colas, manara-maso akaiky ny fivoaran’ny zava-misy, mijery ny fandaminana ny fifamoivoizana sy ny fepetra raisina.