Arabe migodana: mirefy 40 km ny asa fandravonana vita

Mirefy 80 km ny ampahany voalohany hatao amin’ny arabe migodana mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina. Efa misasaka, 40 km, ny asa fandravonana vita.

Nijery ifotony ny fanamboarana ny arabe mi­godana ny minisitry ny Asa vaventy (MTP), Rafidison Richard Théodore, sy ireo mpiara-miasa aminy, ny ala­tsinainy 6 janoary teo. Notom­ba­nana ny fivoaran’ny asa ataon’ny orinasa egyptiana, Samcrete. Hita fa vita ny asa fandravonana ny lalana mirefy 40 km, amin’ny 80 km tafiditra ao anatin’ny ampahany voalohany, hataon’ny orinasa. Misy efa vita sosona fototra (couche de fondation) ny ampahany sasany amin’io 40 km io, ary eo koa ny vita fandravonana. Mandeha miandalana ihany koa ny fanamboarana sy ny fametrahana ny fotodrafitrasan’ny lalana samihafa.
Tafiditra ao anatin’ny tetibolam-panjakana, LFI 2025, ny vola hamitana ny ampahany voalohany mirefy 80 km. Efa vonona io vola io ao amin’ ny kitapom-bolan’ny minisiteran’ny Asa vaventy. Hitohy, hatao isam-bolana ny fidinana ifotony ataon’ny minisiteran’ny Asa vaventy hanombanana ny fivoaran’ny asa. Tanjona ny hanafainganana ny asa ataon’ ny orinasa Samcrete, entina hanatrarana ny tanjona sy ny tetiandro nofaritana. Tsiahivi­na, anisan’ny fe-potoana na­petraky ny fanjakana ny tokony hahavitana ny fandrakofana godirao ny ampahan-dalana mirefy 25 km, saingy tsy tratra.

Fikarohana mpamatsy vola
Miainga any Anjozorobe hatrany Toamasina ny ampahany faharoa, mirefy 180 km. Araka ny fanazavan’ny minisitry MTP, efa hita ny soritry ny lalana hanaovana azy, izay tanjona ny tsy hikitihina ny fa­ri­tra anivo (noyau dur), ny Tan­davanala Ankeniheny –Zahamena (CAZ), araka ny fi­takian’ny Fikambanana miaro ny tontolo iainana.
Efa manomboka ny fifampiresahana eo amin’ny mpampiasa sy mpamatsy vola iarahana amin’ny governemanta malagasy, amin’ny fanatanterahana azy. Tokony ho vita tanteraka amin’ny taona 2027 ity arabe migodana ity.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: