Nampahafantarina ireo mpiara-miasa tetsy amin’ny masoivoho amerikanina, omaly, ny boky manasongadina ny harena voajanaharin’i Madagasikara. Boky nosoratan’ny Dr. Steven Michael Goodman, nanao fikarohana momba ny rohivoahary tsy manam-paharoa an’i Madagasikara sy ny fiarovana izany tao anatin’ny 30 taona izy ity.
Voafidy ho anisan’ny mpikambana ao amin’ny Akademia iraisam-pirenena momba ny Siansa na The World Academy of Sciences (TWAS), rafitra iraisam-pirenena kalaza manasongadina sy mankasitraka ireo asa miavaka miompana amin’ny siansa maneran-tany ny Dr Steven Michael Goodman. Nanambara ny masoivoho amerikanina, i Pierangelo Claire, fa tena harena ho an’ny firenentsika roa tonta ny Dr. Goodman.
Manan-karena harena voajanahary i Madagasikara ary manaporofo izany ny fikarohana natao. Mbola vitsy anefa ny Malagasy misitraka ny fankafizana izany. Ao koa ireo tsy mbola mahatakatra ny maha sarobidy izany harena voajanahary izany ka manimbazimba na mamotika tsy ampiheverana azy ireny.
Tatiana A