4 366 miliara Ar ny vinavinam-bola hiditra ao amin’ny fadintseranana malagasy, araka ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana (LFI) 2025. Ho azo avy amin’ny hetra amin’ny fanafarana vokatra ny 72%, raha avy
amin’ny solika kosa ny 28%. Mitentina hatrany amin’ny 1 010 miliara Ar kosa ny haban-tseranana, raha tafakatra hatrany amin’ny 2 148 miliara ny hetra fanampiny azo avy amin’ny fanafarana entana (TVA à l’importation). Ankoatra izay, misy ny hetra manokana alaina amin’ny solika sy ireo vokatra hafa. Hisy, noho izany, ny fampiharana ny fepetra ara-panjakana, indrindra ny hanaraha-maso ny fandaniana. Hamafisina ny fanaraha-maso ny fitantanana ara-ketra an’ireo orinasa afakaba. Kendrena manokana ny hanatsarana ireo sehatra ireo sy hampiroboroboana ny indostria eto amintsika, hialana tsikelikely amin’ny fanafarana entana any ivelany.
Fehezan-dalàna
Voalaza ao amin’ny LFI fa hisy ny fanovana vitsivitsy ny fehezan-dalàna momba ny fandintserana. Ao anatin’izany ny fanaraha-maso ireo faritra ara-toekarena manokana sy ny fanaraham-penitra iraisam-pirenena ny trano fanatobiana entana eny amin’ny fadintseranana. Tsindrina manokana fa takina ny hanomezana vaovao marina momba ireo entana afarana sy ny fiaviany mba hisian’ny mangarahara, hoy ny fanazavana. Noho izany, tombanana haherin’ny 105,61 miliara Ar ny fidiram-bola ho an’ny taona 2025.
Henintsoa Hani