Fantina sy fintina

Handeha mivantana amin’ny TVM/RNM, anio amin’ny 4 ora, ny filankevitry ny minisitra voalohany amin’ ity taona ity. Hitarika izany ny filohan’ny Repoblika sy ny praiminisitra. Tsiahivina fa niato noho ny fialantsasatry ny fetin’ny Noely sy ny faran’ny taona izany.

Nanao rodombe teny Antanimora ireo lohandohany eo anivon’ny vovonana Firaisankina sy ny birao politikan’ny Tim, omaly. Nitsidika an-dRandriamihoatra Jean Luce, voarohirohy ho nanao hosoka ny tranonkalan’ny Ceni, izy ireo. Tsiahivina fa niakatra fampanoavana afakomaly ary naiditra vonjimaika am-ponja ity olon’ny Tim ity.

Mitaky asa amin’ny FFKM manoloana ireny fanambarana samihafa nataon’ireo mpitondra fivavahana ireny ny eo anivon’ny Randrana sendikaly. Nambaran’izy ireo fa tokony hiroso ho amin’ny fifampidinihana sy fifanarahana ny rehetra fa mampanahy izao tranga miseho izao. “Ahina hipoaka ny krizy amin’ny sehatra samihafa”, hoy izy ireo.

“Ianao tsy haharesy miaramila izany. Miaramila nikomy aza vitanay ny nifehy azy nefa nitana basy”, hoy ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny Jly Ravalomanana Richard, afakomaly. Nanteriny fa tsy tokony hifampitsapa hery izany. “Aleo ny fampandrosoana marina no hatao”, hoy izy.

Partager sur: