FAPBM: faritra arovana 75 hotohanana

Efa ho 20 taona izay ny Fikambanana misahana ny faritra arovana (AP) sy ny tontolo mananaina eto Madagasikara (FAPBM). Manamafy ny fanamby apetrany hikajiana ny harena voajanahary ny fikambanana. Miisa 75 ny AP hotohanany ara-bola amin’ity taona 2025 ity, izay mitentina 6 tapitrisa dolara, raha 70 isa ny taona 2024. Hataony laharam-pahamehana ny fanohanana ny fikambanana amin’ny fitantanana maharitra ny valan-javaboahary.
Omena vahana ny vondron’ny mponina eny ifotony handray anjara amin’ny fitantanana, mba hampaharitra ny tontolo voajanahary ao aminy. Singanina amin’izany ny valan-javaboahary nasionaly any Oronjia, any amin’ny tendrony avaratry ny Nosy. Notoloran’ny FAPBM lakana vita amin’ny « fibre » ny mpanjono, ho vahaolana maharitra hanoloana ny lakana hazo. Nahafahana miaro ny karazan-javamaniry Hazondrangola “Delonix velutina”, izay tsy fahita raha tsy any an-toerana, nefa fanamboaran’ny mpanjono lakana, ity finiavana ity.

Njaka A.

Partager sur: