Fifidianana ben’ny Tanàna: hanomboka hivoaka ny 20 janoary ny vokatra

Raha tsiahivina, nanomboka ny 20 desambra 2024 no namoaka ny vokatra vonjimaika tamin’ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsain’ny Tanàna ny rafitry ny Ceni teny anivon’ny renivohi-paritany na ny Structure provincial Ad’hoc de traitement des resultats communales (Spatrec). Nano­m­boka izany ny faritanin’ Antananarivo ny 20 desambra 2024. Ny 21 desambra ny an’ny faritanin’i Mahajanga sy Antsiranana. Ny 23 desambra ny an’ny faritan’i Fianarantsoa sy i Toliara ary i Toamasina. Taorian’izay namoahan’ny Spatrec ny voka-pifidianana vonjimaika izay, nandray ny fitarainana avy amin’ireo tsy afapo tamin’ny voka-pifidianana vonjimaika ny Fitsarana misahana ny ady ifanaovana amin’ny fanjakana isaky ny renivohi-paritany.
Ny Fitsarana misahana ny ady ifanaovana amin’ny fanjakana ihany no afa-manafoana manontolo na amin’ny ampahany ny voka-pifidianana, araka ny and.60 amin’ny lalàna 2011-011 momba ny fifidianana kaominaly sy monisipaly. Tsy mihoatra ny 30 andro aorian’ny namoahan’ny Ceni, tamin’ny alalan’ny Spatrec, ny voka-pifidianana vonjimaika no amoahan’ny Fitsarana misahana ny ny ady ifanaovana amin’ny fanjakana ny voka-pifidianana ofisialy amin’ny fifidianana kaominaly sy monisipaly. Araka izany, tombanana hanomboka amin’ny herinandro 20 janoary ho avy izao ny hamoahany izay voka-pifidianana ofisialy, isaky ny renivohi-paritany, izay. Amin’ny fotoam-pitsarana ampahibemaso no hanambarana amin’ny fomba ofisialy izay voka-pifidianana raikitra izay, araka ny and, 59 amin’ny lalàna mifehy ny fifidianana.

R. Nd.

Partager sur: