Ankoatra ny famangiana ireo mpianatra traboina vokatry ny firehetan’ny Cité Prefat N Andrainjato, nataon’ny minisitry ny Fampianarana ambony, Pr Chaminah Loulla, nihaona tamin’ireo Conseils de direction koa ny tenany. Noresahina ny mahakasika ny lalàna mifehy ny fifidianana Filohan’ny Oniversite, ny ora fanampiny ary ny kalitaon’ny fampianarana.
Noho ny olana ara-tsolika, nandalo fahasahiranana amin’ny fanalana ny fako ny kaominina ambonivohitra Antsirabe. Niantso malala-tanana ifarimbona amin’ ny fanadiovana izy ireo ka namaly izany ny solombavambahoakan’Antsirabe I. Ny tsy fahafahan’ny ben’ny Tanàna mpisolo toerana mamoaka vola ividianana solika no antony tsy ahafahana manatanteraka ny asa toy izao, raha ny fanazavana voaray.
Namonjy fodiana ny ankamaroan’ireo mpanampy an-trano tamin’ny fety. Betsaka ireo tsy niverina intsony ka mahatsiaro fahasahiranana ny tokantrano nilaozan’izy ireny. Fanaterana sy fakana mpianatra ary fanenjehana ny sakafon’ny mpianatra no tena vaindohan-draharahan’izy ireny. Sahirana ireo ray aman-dreny amin’ny fandaminana ny fotoana, vokatr’izany.
Miha mahazo vahana tao amin’ny faritra Anôsy ny doro tanety sy doro ala, nandritra ny faramparan’ny taona 2024 sy amin’izao fiandohan’ny taona 2025 izao. Nanatanteraka fivoriana maika ireo tomponandraikitra. Nifantoka tamin’ny fitadiavam-bahaolana sy fandaminana fomba fiasa ny dinika.