Lalaon’ny Tany miteny frantsay 2027: hampiantrano ny fihaonana i Armenie

Efa ofisialy! Hatao any Erevan, renivohitr’i Armenie ny lalao ho an’ireo tany miteny manontolo na ampahany ny teny frantsay (Jeux de la francophonie), ny taona 2027. Nambaran’ny komity iraisam-pirenena ny lalao fa hotanterahina ny 23 jolay ka hatramin’ny 1 aogositra izany. Efa nisy ny fitsiriana nataon’ireo manampahaizana amin’ny fanatanjahantena ireo fotodrafitrasa any an-toerana, ka nahazo fankatoavana fa afaka mandray izany lalao goavana izany ity firenena ity .
Tombony ho an’i Armenie ny fananana ireo kianja manana kalitao raitra na ho an’ny fanatanjahantena na ho an’ny kolontsaina. Anisan’izany, ny Complexe sportif ao Karen Demirchyan sy ny Stade V.Tumasyan ao Abovian, mahazaka mpijery 3000. Eo koa ny Complexe éducative et sportif Gazprom Armenie. Ankoatra izay, taranja miisa 10 no hifaninanana, ny atletisma, judo, para athletisme, baolina kitra, tenisy ambony latabatra, basikety lalaovina olona 3, breaking, fibatana fonjamby, basikety lalaovina ambony seza, échec isan-tarika.

Tompondaka

Partager sur: