Mpaka an-keriny: maty voatifitry ny zandary i Mandimby

Lavon’ny zandary raha nikasa hitsoaka ny dahalo raindahiny, fantatra amin’ny anarana hoe i Mandimbisoa na i Mandimby, tao Anivorano, Bekily, ny 6 janoary lasa teo. Ny alin’ny 4 janoary 2025 tokony ho tamin’ny 11 ora, nisy mpivady monina ao Tsiagnerena, kaominina ambanivohitr’Ani­vorano/Mitsinjo, distrikan’i Bekily, nalain’ny dahalo an-keriny. Nangataka vola tamin’ny fianakavian’izy mivady ireo dahalo mba ho takalon’ny famotsorana azy ireo. Nentin’ireo malaso an-keriny niakatra an’Andriry izy mivady ka tsy havotsotr’izy ireo raha tsy manome vola 3 tapitrisa Ar ny fianakaviany. Nanao ny fomba rehetra hahazoana ireo mpivady teny am-pelatanan’ireo dahalo ny zandary ao amin’ny zana-tobim-paritra Anivorano/Mitsinjo. Nahitam-bokany izany satria tratra ny mpiray tendro amin’ireo mpanao ratsy. Nitarika ny toerana misy ireo namany izy taorian’ny fanadihadiana savaranonando nataon’ny zandary. Teny an-dalana, nitsoaka namonjy ireo namany i Mandimby, anisan’ireo naka an-keriny azy mivady. Voatery nitifitra ny zandary rehefa tsy nanaiky hijanona izy fa nirifitra nitsoaka ihany. Naheno izany ireo namany telo lahy ka nandositra ihany koa. Avotra soa aman-tsara izy mivady. Tsy misy atahorana ihany koa ny momba ilay renim-pianakaviana mitondra vohoka na teo aza ny herisetran’ireo malaso. Mitohy ny fikarohana ireo dahalo tafaporitsaka. Misokatra ny fanadihadiana ataon’ny zandary momba ity raharaha ity.

J.C

Partager sur: