Nidona tamin’ny tsena, avy eo nitrosona tamin’ny tany, vaky loha ny mpitondra moto iray teny Anosibe,
ny alin’ny alatsinainy 06 janoary teo. Tsy tana ny ainy rehefa nentina teny amin’ny hopitaly.
Lehilahy manodidina ny 28 taona, matin’ny lozam-pifamoivoizana tamin’ny fitondrana moto, afakomaly alina tamin’ny 10 ora sy 10 minitra teo ho eo, tetsy amin’ny fiolahana Anosibe Mandrangobato II. “Nandeha mafy, nirimorimo avy any Namontana, ity tovolahy ity ka tsy nahatana ny familiana intsony rehefa tonga teo amin’ny fiholahana”, hoy ireo mponina nanatri-maso. Nidona tamin’ny sisin’ireo tsena maromaro manamorona ny arabe izy sy ny kodiarandroa nentiny. Nipitika sy nitrosona tamin’ny arabe ary nidona tamin’ny “trottoir” ny lohany ka vaky sy pempo vokatr’izany. Niboiboika avy ao amin’ny lohany ny ra. Efa mpitondra moto io lehilahy maty io, raha ny fanazavan’ny rahalahiny. Bevohoka be ary efa miandry andro, eny Andavamamba, ny vadiny.
Tsy nisy nandray
Nentin’ny polisy niasa teny amin’ny manodidina avy hatrany teny amin’ny hopitaly HJRA ilay lehilahy niharam-boina, taorian’ny fianjerany. Tsy tana intsony anefa ny ainy rehefa tonga teny amin’ny hopitaly. “Tsy nisy nandray fa nojerijeren’ny mpitsabo fotsiny ilay niharam-boina nandritra ny 15 minitra nahatongavana teny anivon’ny hopitaly”, hoy ny rahalahin’ny maty. Nambarany fa efa natosiky ny mpitsabo tany amin’ny tranom-paty ilay razana taorian’ izay fa tsy niteny tamin’ny fianakaviana izy ireo.
Mangataka ny hametrahana “casseur de vitesse” mifanakaiky eny amin’ny lalàna nisehoan’ny loza ny mponina eny an-toerana. Tanjona ny hisorohana ny lozam-pifamoivoizana tahaka izao. Marihina fa itrangana lozam-pifamoivoizana amoizana ain’olona matetika eo amin’io toerana io. Misy ny mandeha mafy, ny hafa tsy mahay mamily eo amin’ilay fidirana ny fiolahana.
Mino