Handeha mivantana amin’ny fahitalavi-pirenena, anio, ny filankevitry ny minisitra voalohany amin’ity taona 2025 ity. Taratry ny mangarahara sy ny finiavana hampifandray ny vahoaka amin’ny mpitondra izany. Izay rahateo no mampiavaka ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Manakaiky vahoaka satria mamim-bahoaka.
Tsy mbola misy mipika ny fandaharam-potoana sy ny ho vontoatiny. Ny azo antoka aloha dia ny tatitra sy jery todika amin’ilay 100 andro tokony ho efa natao volana vitsy izay. Karazana valim-panadinana andaniny, fandresen-dahatra na dokambarotra ho an’ny mpikambana amin’ny governe- “manta” izany, ankilany.
Mazava be fa tsy kolontsain’ny Malagasy mpitondra ny miaiky tsy fahombiazana. Tsy maintsy milaza fa tsara ny vokatra avokoa izay handaha-teny. Eo no ilana ny fahamailoan’ny mpanadina mba tsy hisy departemanta hamahan-dalitra azy amin’ny tatitra vilana. Misy ihany ireo manao varotra am-pitsanganana sy manao doka sandoka mantsy. Misy minisitra aza tena mbola tsy hain’ny vahoaka na ny anarany aza.
Filohan’ny Repoblika mahitsy sy mandry hilika ho an’ny fampandrosoana no mpitarika, anio. Miandrandra fomba fiasa madio tahaka ny ataony ny Malagasy mila ny raharaham-panjakana. Efa mandifotra ny kolikoly sy fanaovana kely tsy mba mamindro isaky ny birao hidirana. Ho hita eo ny havoakan’ny anio. Enga anie mba ho tena izay vokatra tsara nentina ho an’ny vahoaka no hasehony ho hitam-poko, ho hitam-pirenena.
Madagasikara tsy maintsy mandroso no tanjona. Mila olona madio sy manam-piniavana ary tsy tia miolakolaka sy miatsaravelatsihy izany. Miainga avy amin’ny lohany no tsy maintsy mamy sy ho fakan-tahaka. Mitaky porofo sy vokatra azo tsapain-tanana fa tsy tahirin-kevitra nofenofenoina manenjika isana pejy no zaraina ho an’ny mpanaraka radio sy televiziona.
r.r