Nilatsaka ny fampitandremana. Nambaran’ny Prefet, ny Jly Ravelonarivo Angelo, fa vonona hatrany ny eo anivon’ny fitandroana ny filaminana, amin’ny alalan’ny OMC, hisoroka ny mety ho korontana.
“Tsy azo ekena velively ny hanaovana hetsika etsy amin’ny kianjan’ny 13 mey na ny manoloana ny Lapan’ny Tanàna”, hoy izy, omaly. Nohamafisiny fa tena mbola ao anatin’ny fiatrehana ny mety ho savovoro na korontana politika manoloana izao raharaham-pirenena izao ny eo anivon’ny prefektiora. Anisan’izany ny fanetsehana ireo mpitandro filaminana ao amin’ny Emmo/Reg na aorian’ny famoahana ny voka-pifidianana ofisialy aza, araka ny nambarany hatrany. “Efa nialohavan’ny fivoriana sy ny dinika tamin’ireo lehiben’ny mpitandro filaminana izany”, hoy izy.
Etsy andanin’izay, efa nasongadin’ny Praiminisitra Ntsay Christian, tamin’ny fananganan-tsaina teny Mahazoarivo, ny alatsinainy teo, ny fanamelohany tanteraka ny fambolena kolontsain’ny herisetra sy fanakorontanana ny firenena. Na amin’ny endriny mivantana izany na ankolaka, araka ny nambarany. Nanteriny fa anisan’ny tarigetra ny fifanomezan-tanana ao anatin’ny fihavanana sy ny fifampitsimbinana mba hahatanteraka ny vinam-pampandrosoana, araka ny efa nambaran’ny filoham-pirenena ny faran’ny taona teo.
Tsy tokony ho sakana
Tsiahivina fa efa nandrangaranga fidinana an-dalambe ho fanoherana ny voka-pifidianana ny eo anivon’ny vovonana Firaisankina, ny herinandro teo. Anisan’ny notakin’izy ireo, tamin’izany, ny hanokafana ny kianjan’ny 13 mey. Teo koa ny antso avo nataon’ireto avy amin’ny fanoherana ireto amin’ny mpitandro filaminana eo anivon’ny Emmo/Reg mba tsy hanakana izany hetsika kasain’izy ireo hatao ato ho ato izany.
Synèse R.