Anisan’ireo handray anjara amin’ny « Festival de rire 2025 » i Miranto Godar, mpanao hatsikana manana ny lazany, nipoitra tao anatin’ny dimy taona farany. Anisan’ny hahafantarana azy ny tsikiny vantany vao hita. Zary lasa anto-pivelomana ho azy moa ny hatsikana noho izay talentany izay ka lasa mpanao hatsikana matihanina sy mpanentana lanonana izy.
Nodimandry ny alatsinainy 6 janoary, teo amin’ny faha-59 taonany, i Willy tarika Ny Menafify. Ilay hira “O ry sakaiza” no anisan’ny nahafantarana azy. Pasteur Ramanantoaninanahary Jules Willy no nahalalana azy teo anivon’ny fiarahamonina. Anisan’ny nanamarika ny sanganasany ny fahaizana mampifamatotra ny tononkira sy ny feonkira mahasarika avy hatrany!
Hivoaka ny alahady 12 janoary izao ny hira “Isika roa”, fampiaraham-peon’i Njara Marcel sy Nanie. Fiaraha-miasa mamaritra ny fifandraisana misy eo amin’ireto mpanakanto roa samy manana ny maha izy azy sy ny vanim-potoanany ireto izany. Mbola eo anivon’ny tambajotra sosialy aloha no ahitana azy ity.
Mbola tsy resy lahatra loatra amin’ny fianarana zavakanto ny ankamaroan’ny Malagasy. Antony mahatonga izany ny fanarahan-davahana ny nataon’ny teo aloha. Mijery na mihaino, mahay avy eo. Na izany aza, mahatsiaro ho voafetra ihany ireo miaina izany. Tsy afaka mifandray amin’ny hafa, satria, misy ampahan-javatra tsy voafehy.