Mivoatra tsikelikely ilay faritr’andro ratsy ao amin’ny ranomasimbe Indianina. Heverina hampiova ny toetry ny andro any avaratry ny Nosy izany amin’ny faran’ny herinandro. Vinavinaina hatanjaka ihany koa ity rivodoza ity.
Hanambana ny ilany avaratra atsinanana na afovoany atsinanan’ny Nosy, ny sabotsy ho avy izao, ilay andro ratsy miforona ao amin’ny ranomasimbe Indianina. Dieny izao, mila miomana amin’izany ny mponina satria vinavinaina hatanjaka ilay andro ratsy mialoha ny hidirany an-tanety, raha ny filazan’ny mpamantatra ny toetry ny andro.
Omaly maraina, tany amin’ ny manodidina ny 3195 km atsinanan’Antalaha no nisy ny foiben’io andro ratsy io. Miha mahazo vahana miandalana ny rahom-baratra manodidina ity faritra andro ratsy ity tato anatin’ny 24 ora farany.
Mikisaka miankandrefana izy ka nahafaka 20 ka hatramin’ny 25 km/ora. Na tomombana aza ny hafanan’ny ranomasina sy ny hamandoana amin’ny faritra manodidina azy, mitsoka mafy kosa ny rivotra any amin’ny tsy taka-maso ka manelingelina ny fivoarany ato anatin’ny andro vitsy manaraka.
Raha ny singa azo avy amin’ny zanabolana sy ny mari-drefy voaray omaly maraina, manodidina ny 45 km/ora ny rivotra miaraka aminy, mahatratra 55 km/ora izany anaty oram-baratra.
Ao anatin’ny 5 andro manaraka, araka ny angon-kevitra voarain’ny Meteo Madagasikara, vinavinaina hikisaka haingana hiankandrefana ity faritr’andro ratsy ity.
Vinavinaina hitombo hery izy ka mety ho lasa rivodoza rahampitso vao maraimbe. Mety hahatratra ny tanjaka Forte tempête tropicale izy mialoha ny hidirany an-tanety.
Nahazo fanentanana manokana ny mponina any amin’ny faritra Diana, Sava ary Ambatosoa hanaraka akaiky ny ho fivoaran’ity tranga ity, mba tsy hotapohin-doza.
Mila manaraka ny toromarika omen’ny manampahefana isan-tokony amin’ny fanamafisana ireo fepetra fiatrehana ny vanim-potoan’ny fahavaratra sy ny rivodoza ny mponina.
Tatiana A