Zazavavy roa, 9 sy 11 taona, hita faty natsingevan’ny farihin’Andraikiba, Antsirabe. Nentina vehivavy iray ireo zaza miisa roa, nanomboka nifampitadiavan’ny fianakaviany, ny alahady tolakandro teo. Hita faty voalohany ilay 11 taona, ny alatsinainy teo. Natsikafin’ny rano ilay sivy taona, omaly. Tsy nisy akanjo, nahitan’ny fianakaviany ratra ny vatan’ireo namoy ny ainy. Hifampitadiavana ilay ramatoa nitondra azy ireo.
Nitolo-batana tamin’ny zandary, hiakatra fampanoavana, ilay lehilahy namono nahafaty ny rahalahiny tao Sahafary, kaominin’i Fotsialanana, distrikan’i Soanierana Ivongo, ny sabotsy 4 janoary teo. Fifamaliana no nitarika ny fikasihan-tanana ka nitarika ny fahafatesan’ilay zandriny.