Hotanterahina ao amin’ny Complexe sportif Val de l’Arc ao Aix en Provence France, ny 15 sy 16 febroary ho avy izao, ny famaranana lehibe amin’ny Passion Petanque Française (PPF 2025), taranja tsipy kanetibe. Fifaninanana olon-telo miaraka, lehilahy. Manana solontena roa i Madagasikara amin’ity.
Tsy toy ny mahazatra, ny firenena no mandahatra izay ekipa hifaninanana fa miankina amin’ny mpilalao. Namoaka filaharan’ireo mpilalao nandritry ireo fihaonana samihafa tamin’ny taona 2024, ny mpikarakara ka misy 66 no voafantina. Misafidy izay mpilalao tiany hiarahana amin’ireo tafiditra ao anaty laharana ireo, mandritra ny fifaninanana, 16 voalohany.
Tafiditra ao anatin’izany, Andrianjaka Jean Michel (Tselonina), laharana fahadimy, sy Ramanantiaray Faralahy (Balloti), fahenina. Anisan’ny hanaovan’izy mirahalahy ireo safidy i Racle, eo amin’ny faha-30 sy Ny Havana, faha-36, i Nanou, faha-40, i Zigle, faha-46 ary i Tinakely, faha-47.
Tsy mbola fantatra aloha hatreto izay ho firafitry ny ekipam-pirenena malagasy amin’ ity PPF ity. Ho an’i Italie, any amin’ny faha-23 i Diego Rizzi ary faha-18 ilay frantsay, i Dylan Rocher. Ankoatra ny frantsay, tsy misy afa-tsy Malagasy sy Italianina ny mandray anjara amin’ity andiany ity. Midika izany fa manana ny toerany eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny tsipy kanetibe malagasy.
Tompondaka