Vaovao tambatra

Manodidina ny 35 000 Ar hatramin’ny 40 000 Ar ny vidin’ny saribao iray gony eto Antananarivo sy ny ma­nodidina. Nambaran’ireo mpaninjara, fa vidiny ao anatin’izao maintany izao ireo. Azo antoka, tsy maintsy hisondrotra raha vao mirotsaka ny orana, satria ho ratsy ny lalana any ambanivohitra.

Miisa 32 ny toerana azo tsidihina ara-pizahantany any Itasy. Anisan’izany ny any loharano mafana voajanahary Jeyzera any Amparaky, avaratr’Analavory, ny riandranon’i Lilia any andrefana Ampefy, ny tampon-tendrombohitra Ilot de la vierge any Manjakasoa atsi­nanan’Am­pefy, sy ny maro hafa.

Sarotra ny fitantanana amin’izao voalohan’ny taona izao. Lany nandritra ny fety ny ankamaroan’ny tahiry isan-tokantrano. Tsy mitsaha-miakatra ihany koa ny vidim-bary eny an-tsena. Manahy ny hiakaran’izany hatrany ny rehetra manoloana ny tsy fisian’ny orana sy ny fahataran’ny fambolena.

May ny ala ao amin’ny valan-javaboaharin’i Ranomafana. Efa ho telo andro izao no nandravan’ny afo ny faritry ny ala arovana ao amin’ny distrikan’Ambohima­hasoa. Amina hektara maro ny fahamaizana ka mifarimbona mamono ny afo ny mpitandro filaminana sy ny mponina any an-toerana. Manao antso avo amin’ny fitondram-panjakana ny olom-boafidy.a

Partager sur: