« Tsy maintsy atao izay hampihena ny vidim-bary ao anatin’ny iray volana sy tapany raha ela indrindra, araka ny toromarika nomen’ny filoham-pirenena malagasy nandritra ny filankevitry ny minisitra, omaly ».
Ampidinana hatrany amin’ny 750Ar ny kapoaka ny vary hafarana ka hiara-hiasa amin’ireo mpanafatra ny fitondram-panjakana, araka ny torimarika napetraky ny filoham-pirenena Rajoelina Andry, omaly. Hisy ihany koa ny fepetra apetraka ho an’ny vokatra avy eto an-toerana ka « tsy tokony hihoatra ny 1 000Ar ny kapoaka ny vary makalioka raha toa ka misy mivarotra ho 1 200Ar izany eto amin’ny faritra Analamanga», hoy ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra, Ralambofiringa David. Notohizany fa mbola ampy hatramin’ny fiakaran’ny vokatra amin’ny volana aprily ny vokatra eto an-toerana. Na izany, mbola manohy ny fanafarana ny vary avy any ivelany isika mha hitohizan’ny fidian’ny tolotra amin’ny vidiny mora. Nohazavaina nandritra izany ny lalam-bokatra avy eto an-toerana mialoha ny hatongavan’izany eny amin’ny mpaninjara izay mampiakatra ny vidim-bary eny an-tsena. « Na izany, tokony hapetraka ny tombony ara-drariny ary mila mifampitsinjo ny Malagasy », hoy hatrany ny filoham-pirenena.
Fanamby
Tanjona ny hamokarana vary akotry hatrany amin’ny 1 tapitrisa taonina amin’ity taona ity hahatrarana ny fahavitan-tena ara-bary. Hanohana sy hizara masomboly ho an’ny tantsaha hampiasana ny masomboly tsara kalitao ireo mpiara-miombon’antoka samihafa. Tafiditra ao anatin’izany ny voly vary safiotra (riz hybride), izay hampitombo avo roa heny ny famokarana. Izany hoe, manodidina ny 7 ka hatramin’ny 12 taonina isaky ny hektara ny voka-bary ho azo. Ankoatra izay, hapetraka manerana ireo faritra 14 mpamokatra vary betsaka eto Madagasikara ireo ozinina mpamokatra sy mpanodina zezika. Hapetraka ihany koa ny banky ara-tsakafo omena tantsaha mba hahafahan’izy ireo manarina ny vokatra ataony manoloana ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ny loza voajanahary.
Henintsoa Hani