Nisehoana doro tanety tao Ampitsatohana, Andriantsihy, Analambehivavy sy Antanimihetry fokontany Andranovory, kaominina ambanivohitr’Ambositra II, afakomaly maraina. Nidina haingana teny an-toerana namono ny afo nanampy ny fokonolona ny zandary ao amin’ny vondron-tobim-pileovan’ny zandarimaria Ambositra niaraka tamin’ny ekipan’ny Sampandraharaham-paritra misahana ny tontolo iainana. Tombanana ho 10 ha ny velaran-tany may, nahitana kininina, mimoza ary bozaka. Voafehy tanteraka ny afo tamin’ny 5 ora hariva tamin’io fotoana io. Nisy ny fanentanana natao tamin’ireo fokonolona tonga teny an-toerana mba hiaro ny tontolo iainana. Tsy mbola fantatra kosa ny tompon’antoka tamin’izao raharaha izao. Misokatra, araka izany, ny fanadihadiana momba izao fanimbana sy fandrimpahana ny tontolo iainana izao. Ny sampandraharam-paritra misahana ny tontolo iainana miaraka amin’ny tobim-paritry ny zandarimaria ao Ambositra no manao ny fanadihadiana izany. Na eo aza ny ezaka ataon’ny fanjakana amin’ny fitandroana ny tontolo iainana. Tsikaritra tato ho ato fa mirongatra izaitsizy ny fandripahana ala amin’ny alalan’ny fandorana sy ny fanapahana izany. Samy mizaka ny vokatr’izany avokoa anefa ny tsirairay ka anisan’izany izao tsy firotsahan’ny orana izao.
Jean Claude