Andapa: lehilahy nahatrarana basy tsy ara-dalàna

Naterin’ny fokonolona teo anatrehan’ny mpitandro filami­nana ny lehilahy iray nihazona fitaovam-piadiana tsy ara-dalàna tao amin’ny fokontany Ambatobe, kaominina Belaoko Lokoho, distrikan’Andapa, ny 6 janoary teo. Anisan’ireo tao amin’ny trano fandihizana iray tao an-toerana io lehilahy io. Hataraina ny an’ireo mponina manodidina nahita io fitaovam-piadiana io teny amin’ity farany. Nampandre ny manam-pahefana, niray hina ny fokonolona ka notanana io lehilahy nampiahiahy io. Natolotra ny mpitandro filaminana, voamarina fa basy tsy manara-dalàna sady tsy nisy laharana fa natao tanana ity tratra teny aminy ity. Atao famotorana, ho fantarina ny tompon’antoka nahazoany io fitaovam-piadiana io. Nogiazana ny basy ary hatolotra fampanoavana tsy ho ela izy. Manahy raha teo ny mponina ao an-toerana fa irony jiolahy mpanao asa ratsy irony ity lehilahy tratran’izy ireo ity.

Tsiferana R.

Partager sur: