BIMA: nankalaza ny faha efa-taona nijoroany

Nankalaza ny faha efa-taona nijoroany ny Deuxième bataillon d’infanterie de Ma­rine Antsiranana na ny 2è Bima, ny 6 janoary 2025 teo. Hetsika maro no nentin’izy ireo nanamarihana izany, toy ny hetsika ara-panatanjahantena isan-karazany, ny fizarana loka sy amboara ireo nandrombaka izany ary ny fizarana nofon-kena mitam-pihavanana ho an’ireo miaramila eo anivon’ny vondrona. Teo koa ireo vahiny nasaina nandritra izany fankalazana izany. Mampiavaka ity vondrona ity, ny iraka mano­kana sahaniny amin’ny fandriam-pahalemana an-dranomasina. Nanombohana ny fankalazana ny lomano lavitr’ ezaka mirefy 2,5 km, antsoina hoe « nage commando », niainga teo amin’ny seranana nihazo an’i Cap Diego. Nandri­tra izany koa no niarahabana ny lehiben’ny vondrona, ny Capitaine de Vaisseau Randri­anantenaina Jean Christian, tratry ny taona vaovao 2025 ka nanoloran’ireo mpiara-mi­asa aminy ny solombodiakoho. « Sahy », tarigetran’ny von­drona mpiantafika an-dranomasina (2è Bima) entiny ma­natontosa ireo iraka iantsorohan’izy ireo.

Jean Claude

Partager sur: