Chan 2025: nakarin’ny Caf ny volan’ny mpandresy

Miavaka ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina ho an’ny ekipam-pirenena “Chan 2025”, amin’ity. Nam­pitomboin’ny kaonfederasiona afrikanina baolina kitra (Caf) hatrany amin’ny 75% ny lelavola ho azon’ny ekipa tompon­daka, ka hitontaly 10, 4 tapitrisa dolara ny “prize money”, ho an’ity andiany ity.
Hahazo 3, 5 tapitrisa dolara ny ekipa tompondaka. Nam­baran’i Patrice Motsepe, filohan’ny Caf fa mba hanomezan-danja ny fifaninanana izay ao anatin’ny fampiroboroboana ny baolina kitra sy ny mpilalao ato amin’ny kaontinanta afrika­nina ny anton’izany.
Raha tsiahivina, nandritra ny Chan farany natao tany Al­gerie, nahazo 2 tapitrisa dolara, ny Liona-n’i Teranga Senegal izay tompondaka. Samy nitondra 400 000 dolara avy kosa ireo tonga teo amin’ny ampahefa-dalana raha 500 000 dolara
na 2, 2 lavitrisa Ar, ny an’ireo ekipa efatra tonga teo amin’ny manasa-dalana ka anisan’izany ny Barea de Madagascar izay nandrombaka ny medaly alimo. Tsy mbola nanome ny an-tsipiriany amin’ny fitsinjarana ho azon’ny ekipa mandray anjara amin’ity “Chan 2025” ity ny CAF.

Tompondaka

Partager sur: