Fanolanana tambabe: efa-dahy hiakatra fampanoavana anio

Tovovavy 16 taona naolana efa-dahy tao Andranoro, kaominina Antehiroka. Miisa efatra ireo voasambotra ka hiakatra fampanoavana anio.

Norebireben’ireo tsy valahara tamin’ny vidin’ ny pakopako, tovovavy 16 taona niharan’ny fanola­nana faobe nataon’ny lehilahy miisa efatra tao amin’ny fo­kon­tany Andranoro, kaominina Antehiroka, ny alahady 5 ja­noary teo. Napetraky ny reniny niambina ny tsenakely io zanany io. Nanatona ny tsena ilay lehilahy ka nilaza fa hovidiany avokoa ny pakopako rehetra, tamin’ny 10 ora ma­raina. Alaina any an-tranony anefa ny vola ka roboka ilay tovo­vavy noho izy te-hahalafo ny entana. Tafatsofoka tao amin’ ny trano voalaza hakana ny vola, indro, telo lahy hafa, efa niandry ny fahatongavan’ilay tovovavy sy ilay nisoloky azy. Noterana, tsy afa-nivoaka ny trano ilay tovovavy. Nesorina ny fitafiana ka nanamparan’ izy efatra mirahalahy ny filan-dratsiny.

Tsy ampy taona ny iray

Nametraka fitoriana teny anivon’ny zandarimaria ny renin’ny lasibatra. Niroso ta­min’ny fikarohana ireo voarohirohy avy hatrany ny mpitandro filaminana. Vokany, tra-tehaka avokoa ireo efa-dahy voalaza fa nanao ny fanola­nana. Notazomina natao an­drimaso ireto farany. Tsy ampy taona ny iray tamin’izy ireo raha toa ka tovolahy vao herotrerony avokoa ireo namany. Nalefa natao fizahana teny anivon’ny mpitsabo ilay tovovavy 16 taona. “Hiakatra fampanoavana anio izy efa-dahy”, hoy ny fanazavana voaray teo anivon’ny zana-tobi-paritra Ambohibao. Andrasana ihany koa, ny vokatry ny fizahana fahasalamana natao tamin’ ilay tovovavy voalaza fa niharan’ny fanolanana.

Tsiferana R.

Partager sur: