Fiatrehana ny fahavaratra: nanome fanampiana ny Direct Aid

Vary 270 gony, menaka 150 baoritra, ronono 12 baoritra, siramamy 36 gony ary macaroni 180 baoritra no natolotry ny firenena Arabie Saoudite amin’ny alalan’ny ONG Direct Aid ny BNGRC, ny talata teo. Mitentina 108 tapitrisa Ariary ireo fanampiana ireo. Fianakaviana miisa 1000 mahery na olona manodidina ny 5000 hatramin’ny 6000 isa no hahazo tombony amin’izay. Entina ihatrehana ny fahavaratra sy hanohanana ireo traboina no anton’ny fanampiana.
Efa fomba fiasa napetraky ny fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny BNGRC ny fametrahana mialoha ny paikady rehetra fiatrehana ny tandindon-doza sy ny loza. Hamafisina kokoa ny asa rehetra tokony atao mialoha mba hanamorana ny fandraisana andraikitra ao anatin’ny fitrangan’ny loza sy aorinan’ izany.
Mampihena ny trangam-pahavoazana sy ny fiantraikany indrindra ny takaitra avelan’ny loza ny fihomanana mialoha. Izany indrindra no antony sahady handaminana ny karazana tohana ho an’ireo ahina hiaram-boina.

Tatiana A

Partager sur: